2 Peter 3

1Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity aho ho fampatsiahivana entina hamporisihana ny sainareo madio, 2mba hahatsiarovanao ireo teny nolazain’ny mpaminany masina tany taloha sy ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika izay nomen’ireo apostolinareo.

3Fantaro aloha izao, fa ny mpaniratsira dia ho avy amin’ny andro farany. Izy ireo dia haneso ary handeha araka ny filàn’izy ireo manokana. 4Izy ireo dia hiteny hoe: “Aiza ny fampanantenana ny amin’ny fiverenany? Fa hatrizay nodian’ny razambe mandry, dia tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin’ny fiantombohan’izao tontolo izao aza.”

5Izy ireo dia minia manadino fa ny lanitra sy ny tany dia nisy avy tamin’ny rano ary tamin’ny alalan’ny rano, fotoana ela, 6nohon’ny didin’Andriamanitra, ary tamin’ny alalan’ireo zavatra ireo, no nandravàna ny tontolo tamin’izany fotoana izany, tamin’ny tondra-drano. 7Fa ankehitriny ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an’ny afo amin’ny alalan’io didy io ihany. Izy ireo dia voatokana ho amin’ny andron’ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy.

8Aoka tsy ho adinoinareo, ry malala, fa ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9Ny Tompo dia tsy ela amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany. Fa kosa, Izy dia maharitra aminareo. Tsy tiany hisy ho very ianareo, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.

10Na izany aza, ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo: Ny lanitra dia hanjavona miaraka amin’ny feo mafy. Ny zavatra rehetra dia ho main’ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara. (Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: “Ny zavatra rehetra dia ho main’ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia ho dorana avokoa.”)

11Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia tokony ho olona manao ahoana ianareo? Tokony hiaina amin’ny fahamasinana sy ny fiainana araka an’Andriamanitra ianareo. 12Tokony hanantena ary hanafaingana ny fiavian’ny andron’ Andriamanitra ianareo. Amin’izany andro izany, ny lanitra dia ho levon’ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin’ny hafanana be. 13Fa araka ny fampanantenany, dia miandry ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hitoeran’ny fahamarinana.

14Noho izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, manaova ny tsara indrindra avy any aminareo mba tsy hisy pentina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany, am-piadanana. 15Ary ihany koa, eritrereto ny faharetan’ny Tompontsika amin’ny famonjena, tahaka ny nosoratan’i Paoly rahalahy malalantsika taminareo, araka ny fahendrena izay nomena azy. 16Paoly dia miresaka izany zavatra izany ao amin’ny taratasiny rehetra, izay misy zavatra sarotra takarina. Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no manova ireny zavatra ireny, tahaka ny hanaovany ireo soratra masina hafa ihany koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.

17Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany, dia tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin’ny olona ratsy fanahy ka ho very ny fahamarinanareo. 18Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakizay. Amena!

Copyright information for PltULB